Goiana — Wikipedia


I Goiana na Repoblika Kôperativan' i Goiana (anglisy: Co-Operative Republic of Guyana), Goiana Britanika taloha, dia firenena any Amerika Atsimo, , ao amin' ny tapany avaratry ilay zana-kôntinanta ary manana morontsiraka ao amin’ny Ranomasimbe Atlantika. Fanapin' izany dia izy no fanjakana tokana ao Amerika Atsimo izay manao ny fiteny anglisy ho fiteny ôfisialy. I Georgetown no renivohiny.
Misy endri-toerana isan-karazany ny ao Goiana ary ahitana faritra voajanahary maromaro: ny faritra amorontsiraka, any avaratra, izay mitohy any amin' ny faritra misy fasika fotsy; ny avaratra-andrefana, rakotra ala mikitroka; ny afovoany-andrefana, faritra be tendrombohitra izay misy mahatratra 2 875 m eo amin' ny Tendrombohitra Roraima; ary ny atsimo, ahitana lembalemba rakotra ny hivoka. Manana renirano lehibe maromaro i Goiana, anisan' izany ny Ony Essequibo.

Zanatany britanika teo aloha i Goiana izay nahaleotena nanomboka tamin' ny taona 1966 (tamin' io daty io no nitondrany ny anarana hoe Goiana), saingy mbola isan' ny mpikambana ao amin' ny Commonwealth izy.
Goiana dia eo anelanelan'i Sorinama sy Venezoela eo amin'ny morontsiraka Atlantika Amerika Atsimo. Manamorona an'i Brezila any atsimo ny firenena
Ny ankamaroan' ny mponina ao Goiana dia Indianina avy any Azia, ahitana Afrikana sy Amerindiana koa ny ao. Ny fivavahana roa lehibe dia ny kristianisma (55 %) sy ny hindoisma (30 %); ahitana Mozilmana vitsy an' isa ihany koa ilay firenena (eo ho eo amin' ny 10 %). Mipetraka any ambanivohitra ny ankamaroan' ny mponina.
Manana harena an-kibon' ny tany betsaka i Goiana: ny baoksita, ny manganezy, ny volamena ary ny diamondra. Sehatr' asa lehibe ny fambolena (famokarana siramamy, vary ary kafe).
Ny tanàna lehibe indrindra dia: Georgetown 235.017 mponina, Linden 44.690 mponina, New Amsterdam 35.039 mponina ary Anna Regina 12.448 mponina.

No | faritra | Renivohitra | velarantany km2 | Mponina (2012 census) |
Mponina /km2 |
---|---|---|---|---|---|
1 | Barima-Waini | Mabaruma | 20,339 | 26,941 | 1.32 |
2 | Pomeroon-Supenaam | Anna Regina | 6,195 | 46,810 | 7.56 |
3 | Essequibo Islands-West Demerara | Vreed en Hoop | 3,755 | 107,416 | 28.61 |
4 | Demerara-Mahaica | Triumph | 2,232 | 313,429 | 140.43 |
5 | Mahaica-Berbice | Fort Wellington | 4,190 | 49,723 | 11.87 |
6 | East Berbice-Corentyne | New Amsterdam | 36,234 | 109,431 | 3.02 |
7 | Cuyuni-Mazaruni | Bartica | 47,213 | 20,280 | 0.43 |
8 | Potaro-Siparuni | Mahdia | 20,051 | 10,190 | 0.51 |
9 | Upper Takutu-Upper Essequibo | Lethem | 57,750 | 24,212 | 0.42 |
10 | Upper Demerara-Berbice | Linden | 17,040 | 39,452 | 2.32 |
Total | 214,999 | 747,884 | 3.48 |
- Firenena ao Amerika: Antigoa-sy-Barboda - Arjentina - Bahamasy - Barbady - Belizy - Bôlivia - Brezila - Dôminika - Ekoadôra - Etazonia - Goatemala - Goiana - Grenady - Haity -Hôndorasy - Jamaîka - Kanada - Kioba - Kôlômbia - Kôsta Rika - Meksika - Nikaragoa - Orogoay - Panama - Paragoay - Però - Pôrtô Rikô - Repoblika Dôminikana - Salvadôro - Santa Losia - Santa-Kity-sy-Nevisy - Santa-Vinsanta-sy-Grenadina - Silia - Sorinama - Trinite-sy-Tôbagô -Venezoela
- Kôntinenta eto an-tany: Afrika - Amerika (Amerika Avaratra - Amerika Atsimo) - Azia - Eorôpa - Ôseania - Antarktika