mg.wikipedia.org

Ranomasimbe Pasifika — Wikipedia

Ny ranomasimbe Pasifika miloko manga

Ny Ranomasimbe Pasifika, na Ôseana Pasifika, izay manana velarana 166 241 700 km², dia ranomasimbe be velarana indrindra eto an-tany. Mamaritra an' i Ôseania sy nosy sy tamba-nosy sasantsasany an' i Azia (Japàna, Filipina, Insolindia) izy. Voarafaritr' i Azia, i Aostralia, i Amerika sy ny Ranomasimbe Atsimo izy. Eo amin' ny laharam-pehintany faha-60 ny fisarahany amin' ny Ranomasimbe Atsimo. Sarahan' ny laharan-jarahasina faha-180 ny atsinanana sy ny andrefana amin' ny Ranomasimbe Pasifika.

Ny Ranomasimbe Pasifika sy ny Fehin' Afo (mena)

Ao amin' ny Ranomasimbe Pasifika no ahitana ny tevana lalina indrindra eto an-tany, ny halalin' izy ireo dia mety mahatratra 10 km mahery, ohatra ny tevan' i Korily, i Marianina, ary i Filipina. Betsaka ihany koa ny harandriaka ohatra ny Nosy Krismasy, izay atoll mivelatra indrindra ary antitra indrindra eto an-tany.

I Pasifika dia be toerana ivoahan' ny vatomiempo mafana avy any anivon-tany (hotspot). Ny hotspot dia mampisy ny tamba-nosy toy ny nisy Hawaii-Empereur ary ny tendrombohitra ambany ranomasina Louisville.

Ny sisin' ny Ranomasimbe Pasifika dia ny Fehin' Afo (ceinture de feu) afatsy ny atsimo mankany amin' i Antarktika. Avy amin' io Fehin' Afo io ny horohorontany mampisy ny tsonamy. Tamin' ny tapna 1900 ka hatramin' ny 2004, tsonamy 796 no hita, ary 17 % tamin' izy ireo no nisy tany Japàna. Ny ivontoerana iraisam-pirenena fanairana, ny Pacific Tsunami Warning Center, dia asaina mitazana sy manaitra ny mponina na ny governemanta raha mety hitera-doza ny tsonamy.

Ny ranomasimbe

Arktika

Atlantika

Antarktika

Indianina

Pasifika