mg.wikipedia.org

Sômalia — Wikipedia

I Sômalia na Repoblika Federalin' i Sômalia dia firenena ao Afrika Atsinanana, ao amin' ny tandrok' i Afrika,manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Indiana. Manana velarana mirefy 637 700 km². Mizara sisin-tany amin' i Jiboty any avaratra-andrefana izy, amin' i Kenia any atsimo-andrefana ary amin' i Etiôpia any andrefana. Ny ranomasina mamaritra azy dia ny Ranomasimbe Indiana. I Mogadiscio no renivohiny ary ny mponina ao aminy dia miisa 9 558 666 araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2008. Atao hoe Sômaliana ny vahoakan' ity firenena ity.

Atao hoe الصومال‎ / aṣ-Ṣūmāl na جمهورية الصومال الفدرالية / Jumhūriyyat aṣ-Ṣūmāl al-Fideraaliya ny anarany amin' ny teny arabo, fa Soomaaliya na Jamhuuriyadda Federaalka Soomaaliya kosa izany amin' ny teny sômaly.

Sarin-tany maneho ny fari-pitondrana ao Sômalia

Be tendrombohitra ny tapany avaratra. Ny faritra sisa rehetra dia lembalemba izay midina mianatsimo hatrany amin' ny tany lemaka any amin' ny morontsiraky ny Ranomasimbe Indiana. Somary maina ny toetany, afa-tsy ny ao atsimo izay manana toetanin-jana-pehin-tany. Manodidina ny 28 °C ny sala-maripana, nefa mety midina hatrany amin' ny 0 °C izany ao amin' ireo faritra be tendrombohitra, ary mety tafakatra any amin' ny 47 °C amin' ny faritra amorontsiraka. Mahalana ny filatsahan' ny orana izay tsy hita raha tsy amin' ny volana Marsa sy Avrily ary Mey. Manjaka noho izany ny haintany.

Saika ny vahoaka sômaliana manontolo no ao amin' ny vondrom-poko sômaly. Mitovy fiteny sady samy manaraka ny fivavahana silamo izy ireo ary itoviany koa ny kolontsaina.

Nanjakan' ny ady an-trano teo amin' ireo foko ao aminy i Sômalia nanomboka tamin' ny taona 1991 izay nanimba ny toekarena sy niteraka mosary. Miompana amin' ny fambolena sy ny fiompiana izany toekarena izany.

Zanatany britanika sy italiana i Sômalia izay nahazo ny fahaleovaan-tenany tamin' ny taona 1960. Ny fiteny sômaly sy ny fiteny arano no fiteny ôfisialy any Sômalia.

Firenena ao Afrika:

Afrika Atsimo - Alzeria - Angôla - Benino - Borkina Fasô - Borondy - Bôtsoana - Ejipta - Eritrea - Esoatiny (Soazilandy taloha) - Etiôpia - Gabôna - Gambia - Ganà - Ginea - Ginea Bisao - Ginea Ekoatôrialy - Jibotỳ - Kamerona - Kapvera - Kenia - Kômôro - Kôtidivoara - Lezôtô - Liberia - Libia - Madagasikara - Malaoy - Malỳ - Maorisy - Maoritania - Marôka - Môzambika - Namibia - Nizera - Nizeria - Oganda - Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika - Repoblika Demôkratikan' i Kôngô - Repoblikan' i Afrika Afovoany - Repoblikan' i Kôngô - Roanda - Saô Tôme e Prinsipe - Seisely - Senegaly - Siera Leôna - Sodàna - Sodàna Atsimo - Sômalia - Sômalilandy - Tanzania - Tôgô - Tonizia - Tsady - Zambia - Zimbaboe


Kôntinenta eto an-tany