Sôteriôlôjia — Wikipedia
Ny sôteriôlôjia dia sampan' ny teôlôjia izay andalinana ny amin' ny famonjena. Ny sôteriôlôjia dia teôlôjian' ny famonjena. Tsy ny Kristianisma ihany no azo anaovana sôteriôlôjia fa fivavahana hafa koa izay ahitana ny firesahana ny famonjena. Avy amin' ny teny grika hoe σωτηρία / sôtêria izay midika hoe "famonjena" sy ny hoe λόγος / logos izay midika hoe "resaka" na "fandalinana" na "fahalalàna". Ny teny hoe σωτηρία / sôtêria dia nisampana avy amin' ny hoe σωτήρ / sôtêr izay midika hoe "mpamonjy".