Skandinavia — Wikipedia

I Skandinavia dia faritra avaratra any Eorôpa. Fikambanan' ny firenena roa, na telo na mihoatra, araka ny fomba fijery, ity faritra ity, dia i Nôrvezy, i Soeda ary i Finlandy, na dia any "ivelan' i Skandinavia" aza no misy azy. Azo heverina ho anisany koa i Danemarka, satria iraisany amin' i Soeda sy i Nôrvezy ny tantarany. Tany nipoiran' ny vahoaka jermanika sy ny Vikingy i Skandinavia. Raha itarina amin' ny fizaràn-tany nandray ny kolontsainy dia azo ampidirina ao aminy koa i Finlandy sy i Islandy ary ny nosy Feroe.