mg.wikipedia.org

Tonizia — Wikipedia

I Tonizia na Repoblika Toniziana dia firenena any Afrika Avaratra ao amin' ny faritr' i Magreba. Atao hoe تونس izy amin' ny teny arabo. Voafaritry ny Ranomasina Mediteranea i Tonizia any avaratra sy any atsinanana. Mizara sisitany amin' i Aljeria izy any andrefana (965 km ny halava ny sisintany mizara azy amin' i Aljeria) ary mizara sisintany amin' i Libia izy any atsimo-atsinanana (459 km ny halava ny sisintany mizara azy amin' i Libia). Ny renivohiny dia i Tunis, any avaratra atsinanan' ilay firenena. Atao hoe Toniziana ny vahoakan' ity firenena ity.

Tanimaty ny 40 % amin' ny tanim-pirenena tonizianina, ny 60 % sisa dia tany azo ambolena, any Tonizia ankehitriny ny tanindrazan' ny Kartajinianina tamin' ny taonjato faha-7 tal. J. K. hatramin' ny taonjato faha-2 tal. J. K., alohan' ny nahalasa azy "sompitry ny varimbazaha" ho an' ny Empira Rômana.

Régence de Tunis ny anaran' i Tonizia tamin' ny andron' ny Empira Ôtômàna, lasa prôtektorata frantsay i Tonizia tamin' ny 1881. Teo alohan' ny fahaleovantena (nahazo ny fahaleovantenany tamin' ny 20 Martsa 1956 i Tonizia) dia nahazo anarana hoe Fanjakanan' i Tonizia ilay firenena tamin' ny faran' ny fanjakan' i Lamine Bey, izay tsy nanana sata mpanjaka izany mihintsy. Tamin' ny fiantsoana ny Repoblika tamin' ny 25 Jolay 1957, i Habib Bourguiba, mpitarika ny tia tanindrazana tonizianina, no filoha voalohany indrindra tao Tonizia; filohan' i Tonizia mandritry ny telopolo taona izy. Tamin' ny faran' ny "fanjakan' i Bourguiba", ny praiministra Zine el-Abidine Bel Ali no nanohy ny tanjon' ny pôlitikan' i Bourguiba, sady manao fampahalalahana koa eo akaiky eo.

Firenena ao Afrika: Afrika Atsimo - Alzeria - Angôla - Benino - Borkina Fasô - Borondy - Bôtsoana - Ejipta - Eritrea - Esoatiny (Soazilandy taloha) - Etiôpia - Gabôna - Gambia - Ganà - Ginea - Ginea Bisao - Ginea Ekoatôrialy - Jibotỳ - Kamerona - Kapvera - Kenia - Kômôro - Kôtidivoara - Lezôtô - Liberia - Libia - Madagasikara - Malaoy - Malỳ - Maorisy - Maoritania - Marôka - Môzambika - Namibia - Nizera - Nizeria - Oganda - Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika - Repoblika Demôkratikan' i Kôngô - Repoblikan' i Afrika Afovoany - Repoblikan' i Kôngô - Roanda - Saô Tôme e Prinsipe - Seisely - Senegaly - Siera Leôna - Sodàna - Sodàna Atsimo - Sômalia - Sômalilandy - Tanzania - Tôgô - Tonizia - Tsady - Zambia - Zimbaboe

Kôntinenta eto an-tany

Endrika:Firenen'i Magreba