Vietnamy — Wikipedia
- ️Sun May 15 2011
I Vietnamy, na Repoblika Sôsialistan' i Vietnamy dia firenena ao Azia Atsimo-Andrefana ao atsinanan' ny Saikanosy Indôsinoa. Mirefy 341 690 km² ny velaran-taniny ary miisa 90,3 tapitrisa ny mponina tgao aminy tamin' ny taona 2012. I Vietnamy no firenena faha-13 be mponina indrindra eto ambonin' ny tany ary firenena aziatika fahavalo be mponina indrindra.
Ny firenena mizara sisintany aminy dia i Sina, i Laôsy ary i Kambôdia. Ny renivohiny dia i Hanoi ary ny tanàna lehibe indrindra dia i Hô-Chi-Minh-Ville. Atao hoe Cộng hoà Xã hội Chủ nghĩa Việt Nam izy amin' ny fiteny vietnamiana.
Manana halava mirefy 1 700 km, avy avaratra mianatsimo, sy sakany tsy mihoatra ny 300 km i Vietnamy. Be tendrombohitra sy be lembalemba, izay mahatratra 65 %n’ ny taniny ity firenena ity. Ny Ony Mena ao avaratra sy i Mekong ao atsimo no ony lehibe indrindra any. Toetanin-janapehin-tany ny toetany any.
Makitroka ny mponina any Vietnamy ary misy mponina 1 000 isaky ny km2 amin’ ny faritra amorontsiraka sasany. Betsaka ny tanora satria latsaky ny 15 taona ny 37 %n’ ny mponina. Ny 75 %n’ ny mponina dia monina an-tanàn-dehibe.
Mandroso ny toekaren’ i Vietnamy nefa tsy voatsinjara tsara eran’ny taniny izany. Ny fambolena no loharanon-karena lehibe indrindra any, indrindra ny fambolem-bary. Mandroso koa ny fanjonoana.
I Vietnamy dia ao amin' ny tapany atsinanan' ny Saikanosy Indôsinoa. Ny velarantany manontolon' ilay firenena dia 331 210 km² izay mitovitovy velarana amin' i Alemaina. Ny halavan' ny morontsiraka dia 3 444 km. Ny tendrombohotra avo indrindra ao Vietnamy dia i Phan Xi Păng izay manana haavo 3 143 m.
Nampalemy ny toekaren' i Vietnamy ny fandaniam-bola lehibe ho an' ny tafika sy ny fandaminana ny toekarena. Na dia izany aza, nitombo sahala amin' ny fitombon' ny toekaren' ny Sinoa ny toekaren' i Vietnamy taorian' ny nanesorana ny ankivy nataon' ny Amerikanina teo antenantenan' ny taona 1990. Nandritra ny taona 2000 dia tsy latsaky 4,7 % ny fitombon' ny harin-karena faobe.
Ny harin-karena faoben' i Vietnamy dia 299,2 lavitrisa dolara ka manao azy ho firenena faha-43 lehibe indrindra ara-toekarena. Tamin' ny taona 2011, ny anjara toeran' ny fambolena ao amin' ny toekaren' i Vietnamy dia 48 %, ny sampan-draharaha dia 29,6 % ary ny indostria dia 22,4 %.
Mitombo isan-taona ny fizahàn-tany. 4,25 tapitrisa no isan' ireo mpizaha tany noraisin' i Vietnamy tamin' ny 2008[1].
- Firenena niavian' ny mpizaha tany tonga tao Vietnamy
Firenena ao Azia:
Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina (fanjakana) - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy.
Kôntinenta eto an-tany
- ↑ "kopian'ny arisiva". Archived from the original on 2011-05-15. Retrieved 2013-05-21.
Fantsom-baovao Archived Janoary 15, 2021 at the Wayback Machine Vietnamy